This film is a perfect introduction to Jesus through the Gospel of Luke. Jesus constantly surprises and confounds people, from His miraculous birth to His rise from the grave. Follow His life through excerpts from the Book of Luke, all the miracles, the teachings, and the passion.
God creates everything and loves mankind. But mankind disobeys God. God and mankind are separated, but God loves mankind so much, He arranges redemption for mankind. He sends his Son Jesus to be a perfect sacrifice to make amends for us.
Before Jesus arrives, God prepares mankind. Prophets speak of the birth, the life, and the death of Jesus.
Jesus attracts attention. He teaches in parables no one really understands, gives sight to the blind, and helps those who no one sees as worth helping.
He scares the Jewish leaders, they see him as a threat. So they arrange, through Judas the traitor and their Roman oppressors, for the crucifixion of Jesus. They think the matter is settled. But the women who serve Jesus discover an empty tomb. The disciples panic. When Jesus appears, they doubt He's real. But it's what He proclaimed all along: He is their perfect sacrifice, their Savior, victor over death. He ascends to heaven, telling His followers to tell others about Him and His teachings.
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary izao tontolo izao.
Nahary ny lanitra sy ny tany Izy, ary izay rehetra ao aminy.
Raha mijery izay rehetra nataon' Andriamanitra isika, dia mahagaga izany.
Tsara daholo izay nataon'Andriamanitra.
Ny zavatra rehetra dia mampiseho ny fahalehibeazany sy ny fahatsarany sy ny fahefany.
Noarin' Andriamanitra avokoa rehefa karazana zavamaniry sy biby.
Avy eo, vovo-tany no nanamboarany ny olona voalohany.
Ka tonga olombelona rehefa nofofoniny fofonaina ny vavorony.
Adama no niantsoany ilay olona voalohany.
Dia namorona vehivavy Andriamanitra ho vady sy naman'i Adama. I Eva no anarany.
Andriamanitra nahary lehilahy sy vehivavy mba hahafahan'izy ireo mifandray tsara Aminy.
Niaina tamim-pifaliana teo anatrehany tao amin'ny saha tsara tarehy izy ireo atao hoe Edena.
Tsy nisy fahoriana na fahafatesana tao.
Andriamanitra nandidy an'i Adama hoe, "Azonao ihinanana avokoa
ny voa avy amin'ny hazo afa-tsy iray ihany.
Raha ihinananao izany dia ho faty tokoa ianao." Indray andro anefa Satana naka fanahy an'i Eva.
Nihinana aloha ravehivavy, dia nihinana koa ralehilahy.
Teo no ho eo ihany dia tapaka ilay fifandraisany tamin' Andriamanitra.
Masina Andriamanitra, ary ny mpanota tsy hahajanona eo anatrehany.
Koa noroahin' Andriamanitra tao amin'ny saha Edena i Adama sy Eva.
Nijaly noho io henatra io izy ireo satria tsy nankatò an' Andriamanitra.
Vokatr'izany, dia niharam-pahoriana sy fahafatesana i Adama sy Eva sy ny taranany.
Saingy tian' Andriamanitra foana ny olombelona.
Fa efa nomaniny ny fomba hiverenan'ireo hiara-monina Aminy indray.
Ambaran' Andriamanitra ao amin'ny Teniny ilay fikasany hamonjy ny olona amin'ny famaizana mendrika ho azy,
mba ho velona mandrakizay izy ireo sady hanana firaisana Aminy.
Nanehoan' Andriamanitra ampahany amin'izany fikasany izany i Abrahama.
Natoky sy nanaja an' Andriamanitra i Abrahama.
Nampanantena hitahy azy Andriamanitra, sady hitahy ny firenena rehetra amin'ny alalany.
Taranaka maro no nampanantenain' Andriamanitra azy, ho maro tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina,
…sy ireo kintana eny amin'ny lanitra.
Nino an' Andriamanitra i Abrahama.
Ka noho izay finoany izay, dia neken' Andriamanitra ho marina izy
ka nantsoin'ny olona hoe "Sakaizan' Andriamanitra."
Indray andro Andriamanitra nizaha toetra an'i Abrahama raha mbola matoky Azy sy manaiky ny didiny izy.
Nasainy nataon'i Abrahama sorona ny zanany.
Fantatr'i Abrahama fa amin'ny alalan'io zanany lahitokana io
no nampanantenan' Andriamanitra hanome azy taranaka maro,
fa mbola natoky sy nanaiky an' Andriamanitra ihany izy.
Noho izany, dia vonona izy hanolotra ny zanany ho sorona ho an' Andriamanitra.
Nalain'i Abrahama ny antsy.
Nefa hoy Andriamanitra: "Abrahama! Aza maninona azy.
Fantatro fa matahotra Ahy ianao sady vonona hanaiky Ahy."
Ary Abrahama nahita ondrilahy iray tsy lavitra eo.
Voasaringotra kirihitrala ny tandrony.
Dia nalain'i Abrahama ilay ondrilahy mba ho sorona ho an' Andriamanitra ho solon'ny zanany.
Rehefa nanome ondrilahy hatao sorona Andriamanitra hisolo ny zanak'i Abrahama,
dia nasehony fa lehibe ny fitiavany ny olona.
Teo koa no nanehoany ny fikasany hanome sorona farany ho faty hisolo ny zanak'olombelona.
Fahiny elabe dia nanambara tamin'ireo mpaminany Andriamanitra
fa haniraka olona tsy manana ota mba ho faty ho solon'ireo taranak'i Adama,
ka hanaisotra ny ota sy ny henatra.
Ny fanaovana sorona ny tenany no hanokatra lalana ho an'izay mino Azy
mba hananany firaisana mandrakizay amin' Andriamanitra.
Io Olona io no nantsoin'ny mpaminany hoe "Ilay Mesia."
Andriamanitra, hoy izy ireo, haniraka ny Mesia hamonjy ny olony,
sy hanapaka azy ireo mandrakizay amin'ny anaran' Andriamanitra.
Taonjato maro talohan'ny niaviany,
dia nolazain'ny mpaminany ireo zavatra hataon'ny Mesia sy izay zavatra hanjò Azy.
Misy mpaminany nilaza fa hambaran' Andriamanitra amin'ny Mesia hoe: "Zanako Ianao."
Tsy zanakalahy ara-nofo no tian'ny mpaminany holazaina.
Ny hoe "Zanak' Andriamanitra" dia iantsoana ilay fifandraisan'ny Mesia akaiky amin' Andriamanitra,
sy ny asa maha Mpamonjy sy Mpanjaka Azy.
Hoy ny mpaminany atao hoe Isaia: "Hitoe-jaza ny virijiny iray ka ho tera-dahy.
"Tenin' Andriamanitra mandrakizay io Zaza io,
nirahin' Andriamanitra hateraka ho olona ao amin'ny virijiny mba hanambara an' Andramanitra amin'izao tontolo izao.
Voasoratr'ireo mpaminany fa any Betlehema ny Mesia no ho teraka.
Nambaran'izy ireo mialoha, ny hidirany ao Jerosalema toy ny Mpanjakany,
sy ny hamadihan'ny namany iray Azy amin'ny sekely volafotsy telopolo.
Nolazain'ireo mpaminany fa ny Mesia hanao sorona ny ainy
fa Andriamanitra kosa hanangana Azy amin'ny maty amin'ny andro fahatelo.
Nantsoin'ny mpaminany hoe Zanak' Olona ny Mesia
ary nolazainy fa hiditra indray ao anaty rahona amin'ny fanatrehan' Andriamanitra
sady homen' Andriamanitra fahefana mandrakizay amin'ny firenen-drehetra.
2000 taona lasa dia nonina teto amin'izao tontolo izao lehilahy iray atao hoe Jesoa.
Raha nahita ny zavatra nataony ny olona dia nifanontany hoe: "Izy ve no Mesia?
Ny fiainan'i Jesoa ve mahatanteraka izay nolazain'ny mpaminany momba ny Mesia?"
Asehon'ity sarimihetsika ity hoe iza moa Jesoa,
ary zavatra sasany nolazainy sy nataony araka izay voasoratra ao amin'ny Soratra Masina.
Misy lehilahy milalao ny anjaran'i Jesoa ato amin'ny sarimihetsika.
Tsy misy olona mendrika hanao izany na iza na iza,
fa natao izao mba hahafantarana sy hianarana momba ny fiainan'i Jesoa
ary handraisana ireo fitahiana nampanantenain' Andriamanitra.
Izaho manoratra aminao, ry Teofilo hajaina,
ireo zavatra tanteraka teto amintsika sady araka ny filaharany,
mba ho fantatrao izay tena marina rehetra.
Fony i Aogosto Kaisara no amperoran'i Roma,
ary Heroda Lehibe no mpanjakan'i Jodia,
dia nirahin' Andriamanitra ny anjely Gabriela hamangy tovovavy virjiny tao an-tanàna Nazareta.
Maria no anarany.
Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.
Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesoa.
Ahoana no hahatonga izany?
Izaho anie virjiny.
Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao.
Koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra.
Ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Lasa i Maria hamangy an'i Elizabeta rahavaviny, izay nitoe-jaza na dia efa antitra aza.
Nahagaga anefa, noho ny herin' Andriamanitra dia bevohoka izy.
Elizabeta!
Maria!
Maria rahavaviko!
Voatahy samy vehivavy ianao,
ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
Fa raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao,
dia nibitaka noho ny hafaliana, ny zaza ato an-kiboko.
Ny foko mankalaza ny Tompo,
Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy.
Hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
Henoy, ry vahoaka eto Nazareta!
Araka ny didin'ny Aogosto Kaisara
dia hisy fanisam-bahoaka hatao eran'ny faritany Galilia sy Jodia.
Ny olona rehetra dia tsy maintsy misoratra any amin'izay vohitra na tanàna niavian'ny razany.
Ary Josefa nankany an-tanànan'i Betlehema any Jodia mba hosoratana izy sy Maria fofombadiny.
Fa tsy nisy toerana ho azy tao Betlehema. Ary tranon'omby iray tsotra no azony nitoerana.
Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha niandry ny ondriny tamin’ny alina.
Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany,
ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy,
Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.
Dia nandeha faingana izy ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona,
ka izy ireo no voalohany nampiely ny Vaovao Mahafaly na ny "Filazantsara" -n'ny fahaterahan'ny Mpamonjy.
Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza,
dia nataony hoe Jesoa ny anarany, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ny Tompo.
– Ary nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema, izay marina sady mpivavaka tsara.
Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristy.
Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao.
Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao
Zaza nofidin'ny Tompo ity.
Hotahin'ny Tompo anie ianareo.
Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tao Nazareta tanànany izy.
Ary rehefa roa ambin’ny folo taona Jesoa, dia niakatra izy ireo,
araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana.
Ka rehefa nody izy, Jesoa zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany,
satria nataony fa niaraka tamin’ny mpiara-dia taminy Izy.
Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra.
Zanak'iza ary Ity no manontany toy izany?
Avy any Nazareta Izy.
Noheverinay niara-nandeha taminay.
Azafady, amin'ny hafanam-pony.
Ary talanjona izay rehetra nandre Azy.
Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Ianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?
Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy.
Ary Jesoa nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara,
fony Pontio Pilato no governora tany Jodia,
ary Heroda no mpanapaka tany Galilia,
ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe.
Dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Elizabeta, tany an’efitra ny tenin’ Andriamanitra.
Ary nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.
Miala amin'ny fahotanareo
meteza hatao batisa,
dia havelan' Andriamanitra ny fahotanareo!
Araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany Isaia:
Misy feon’ny miantso mafy any an'efitra hoe:
Amboary ny làlan’i Jehovah!
Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany.
Ny lohasaha rehetra hototofana,
ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry!
Ny meloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina.
Ary ny nofo rehetra
hahita ny famonjen’ Andriamanitra!
Inona no hataonay?
Le, lazao,
Ry taranaky ny menarana!
Inona ary no hataonay?
Ampio 'zahay. Lazao aminay izay lalana haleha.
Izay manana akanjo roa,
dia tokony hanome anankiray
ho an'izay tsy manana.
Ary izay manan-kohanina hizara izany.
Mpampianatra,
mpamory hetra izahay,
Inona no hataonay?
Aza maka mihoatra noho izay notendrena halainareo.
Ary izahay, ahoana?
Inona no hataonay?
Aza mitohatoha foana amin’olona.
Ary aza miampanga lainga.
Fa mianìna amin’ny karamanareo.
Hono ho'aho… moa ianao no Kristy?
Izaho manao batisa anareo amin’ny rano.
Fa avy Izay mahery noho izaho.
Ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.
Eny an-tànany ny fikororohany
hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ny sompiny.
Ary Andriamanitra Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala.
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
"Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako."
Ary tokony ho efa telopolo taona Jesoa, raha vao nanomboka ny asany.
Jesoa feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana,
ary nentin’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ny devoly fanahy.
Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany,
Ary hoy ny devoly taminy:
Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
Voasoratra hoe
Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan' Andriamanitra.
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipìmaso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.
Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny,
fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
Voasoratra hoe: "Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao."
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly.
Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao, mivarìna any ambany any; fa voasoratra hoe:
"Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao."
Voalaza hoe,
"Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao."
Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy.
Manahoana.
Manahoana.
Araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy.
Nantsoina Izy hamaky teny ao amin'ny bokin'i Isaia mpaminany.
Ny Fanahin'i Jehovah no ato Amiko,
satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy,
Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba.
Hanafaka izay nampahorina,
ary hitory ny taona ankasitrahin’i Jehovah.’’
Mahay miteny.
Tanteraka eto anatrehanareo izany Soratra izany, izay novakina ho rentsika teo.
Tanteraka ny Soratra Masina?
Ka ny Mesia irery ihany ange no mahatanteraka izany e!
Amin'ny fomba ahoana?
Hataonareo Amiko tokoa izao ohabolana izao hoe,
Dokotera, sitrano ny tenanao:’
Ary mbola hampinareo hoe,
Ataovy eto amin'ny taninao koa izay renay nataonao tao Kapernaomy."
Lazaiko aminareo,
tsy misy mpaminany izay ankasitrahina ao amin’ny taniny!
Izany teny izany no nanehoan'i Jesoa fa Izy no Mesia, Voahosotr' Andriamanitra,
nirahina hamonjy ny olony.
Fa ny Jiosy tsy nanaiky Azy ho ilay Mesia.
Nokasain'ireo havarina any an-tevana i Jesoa,
fa namakivaky teo afovoany Izy, ka lasa nandeha,
ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia.
Efa miharihary hatraiza hatraiza fa 'lay firenena dia bodoin'ny Romanina.
Ary ny vahoaka niandrandra Mesia, hanafaka azy ireo amin'ny fangejana.
Ho aminao ny fiadanana.
Ho aminao koa, Tompoko.
Azoko ampiasaina ve ny sambonao, Simona?
Eny, Tompoko.
Angamba kosa Izy tsy handeha, sa ve...?
Mampianara anay!
Ampianaro izahay!
Jesoa o, mampianara anay!
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ny tempoly hivavaka,
ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe:
Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny,
tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Mifady indroa isan-kerinandro aho;
mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra aho."
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory
fa niteha-tratra ka nanao hoe:
Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray.
fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
Mandrosoa ianareo ho any amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
Tompoko o, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina,
nefa tsy nahazo na inona na inona!
Kanefa noho ny teninao,
dia halatsako ihany ny harato!
Jakoba!
Jaona!
Jakoba! Jaona! Alefaso aty ny sambokelinareo dia ampio izahay! Haingana!
Tsy afaka, ny tànanay ireto efa feno.
Tompoko, mialà amiko
fa olo-meloka aho!
Aza matahotra.
Hatramin’izao dia olona kosa no ho azonao.
Manatòna Ahy dia henoy ny teny lazaiko.
Mihainoa dia ho velona aina anareo.
Mitadiava an'i Jehovah dieny mbola hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina;
ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy.
Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fifaliana no hivoahanareo ary fiadanana no hitondrana anareo.
Tamy Izy! Io Izy e! Jereo!
Jesoa! Jesoa!
Miangavy, vonjeo re 'lay vavitokako e!
Mamindrà fo e. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy, ary… efa ho faty. 'Zafady! 'Zafady, andao re e!
Jairo a, miala tsiny.
Jesoa!
Maty ho'aho ilay zanakao.
F'aza manahirana ny mpampianatra eo.
Aza matahotra
Minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
Aza mitomany.
Fa tsy maty izy, fa matory ihany.
Anaka,
miarena.
Omeo sakafo izy hohaniny.
Henoy aho ange,
aza lazaina amin'olona ny zava-nitranga teto.
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesoa ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy,
nipetraka teo am-pamorian-ketra.
Manaraha Ahy.
Ary lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka;
ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany,
ka nifidianany roa ambin’ny f.olo lahy, izay nataony hoe Apostoly.
Dia Simona, izay nataony hoe koa Petera...
sy Andrea rahalahiny...
Jakoba...
sy Jaona...
Filipo...
sy Bartolomeo...
sy Matio...
sy Tomasy...
Jakoba, zanak’i Alfeo...
sy Simona, izay atao hoe Zelota...
sy Jodasy, zanak’i Jakoba...
ary Jodasy Iskariota, ilay tonga namadika.
Sambatra ianareo mahantra,
fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
Sambatra ianareo, raha halan’ny olona ka ariany sy haratsiny,
ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany, ka mibitaha;
fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.
Fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
…fito ambin'ny folo, valo ambin'ny folo, sivy ambin'ny folo, roapolo. 'Zay no azoko omena.
Raha tsy inona ko izay no azonao omena!
Fa lozanareo izay manan-karena kosa! Efa azonareo izay nahafa-po anareo.
Tsy te hanankarena, hono, Izy. Angamba Io adala.
Lozanareo izay mihomehy ankehitriny,
fa mbola ho ory sy hitomany ianareo.
Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra,
fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.
Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino:
Tiava ny fahavalonareo.
Manaova soa amin’izay mankahala anareo.
Misaora izay manozona anareo.
Ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny anankiray.
Ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao.
Ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
Ataovy amin'ny olona izay tianareo hataon’ny olona aminareo.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona moa no soa tokony ho azonareo?
Fa na ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
inona moa no soa tokony ho azonareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
Ahoana no ikasihany azy?
Ahoana no iresahany aminy?
Maharikoriko!
Tsia,
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa,
Dia mampisambora, ka aza manantena valiny.
Dia ho lehibe ny valim-pitianareo,
ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo.
Fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
Aoka ho mpamindra fo, tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
Vonjeo 'zahay, Jesoa ô!
Aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo!
Aza manameloka,
dia tsy hohelohina ianareo!
Mamelà,
dia mba havela ianareo.
Tariho amin'ny lalanao 'zahay, Tompo ô!
Omeo, dia mba homena ianareo.
Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
Ny jamba va mahatari-dàlana ny jamba?
Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
Ary nahoana no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao,
nefa ny andry eo amin’ny masonao tsy mba tsaroanao?
Tariho 'zahay, Mpampianatra ô!
Mila Anao 'zahay, Tompo ô
Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
Kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny Tenin’ Andriamanitra, ka mitandrina izany.
Mba tiako ho fantatra ity Lehilahy ity.
Heverinao ve fa Izy... no Mesia?
Fariseo anankiray no nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy;
ary dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
Faingàna, rankizy a, las 'nareo.
Renareo 'zany, lasa!
'Ngah ireo tsy loza raha hananihany e, fa hendry ireo ka.
Inona koa no ataon'ity etỳ
Tsy hai-ko!
Ary inona 'ty ataony?
Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy mikasika Azy io
sy ny toetrany; fa mpanota io.
Simona a, fantatro io vehivavy io.
Manan-kolazaina anao Aho.
Nisy roa lahy nananan’ny mpanjana-bola iray trosa.
Ny iray nananany denaria diman-jato, ny iray dimam-polo.
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany.
Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra?
Ataoko fa ilay namoizany be.
Marina ny hevitrao.
Hitanao io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao;
fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao,
fa hatr’izay nidirako izy tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory,
fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
Dia lazaiko aminao:
Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy.
Fa izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.
Voavela ny helokao.
Inona?
Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Ahoana no ahafahany memela heloka?
Lasa Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’ Andrimanitra.
Ary ny roa ambin’ny folo lahy nanaraka Azy mbamin’ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ny fanahy ratsy:
Maria atao hoe Magdalena,
Johana, vadin’i Koza, mpitandrina ny fananan’i Heroda,
ary Sosana
Fa Heroda mpanapaka Romana tao Galilia,
dia nanidy an’i Jaona tao an-tranomaizina
satria nananatra an'i Heroda tamin'ny nanambadiany ny vadin-drahalahiny izy.
Dia ahoana?
Rehefa mby teo amin'ny vavahadin’i Naina izahay, dia nisy fatin’ny lehilahy anankiray nentina nivoaka,
izay zanakalahy tokan’ny reniny, sady mpitondratena.
Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy. Ary nanendry ny tranovorona, Ary hoy Izy:
"Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena."
Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
Anontanio, hoe,
Ianao ve Ilay nambarn'i Jaona fa ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?
Mpampianatra ô!
Mpampianatra ô!
Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hanao hoe
Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
Ndeha ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa.
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko.
Zah mba trotroy.
Ataoko antsangory. Mahita ve ianao?
Hitako Jesoa!
Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa.
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana ka voahitsakitsaka,
ary dia lanin’ny voro-manidina.
Ny sasany dia voafafy teny ambonin’ny vatolampy,
ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo,
ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara,
dia naniry ka namoa,
zato heny.
Mpampianatra o,
nahoana no fanoharana no itenenanao rehefa anaty vahoaka?
Lanareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Fa amin’ny olon-kafa dia fanoharana, mba hijery izy, fa tsy hahita,
ary hahare, fa tsy hahafantatra.
Izao no hevitry ny fanoharana:
Ny voa dia ny Tenin’ Andriamanitra.
Ireo teny amoron-dàlana dia izay mandre,
nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
Ireo teny ambonin’ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ny hafaliana,
nefa tsy manam-paka ireo,
fa mino vetivety ihany.
Koa amin’izay andro isehoan’ny fakam-panahy,
dia mihemotra izy.
Ireo latsaka teny amin’ny tsilo dia izay mandre,
fa voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao,
ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa
dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara,
dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana.
Tsy misy mampirehitra jiro ka manarona azy,
na nametraka azy ao ambanin’ny farafara.
Fa ataony eo amin’ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita.
Ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
Koa tandremo ny fihainonareo,
fa izay manana dia homena,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
Mpampianatra,
ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano.
Ta-hahita Anao.
Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny Tenin’ Andriamanitra, ka mankatò azy.
Indray andro dia niondrana an-tsambokely Jesoa sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy:
"Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy."
Ary teny am-pandehanana sambokely, dia natory Jesoa.
Mpampianatra!
Mpampianatra!
Jesoa ô!
Ho faty izahay!
Fefiky ny rano izahay. Hilentika izahay! Vonjeo, Mpampianatra ô!
Voavonjy isika!
Matokia Ahy ianareo!
Dia nitody tany amin’ny tanin’ny Gerasena, izay tandrifin’i Galilia izy.
Jesoa,
Zanak' Andriamanitra Avo indrindra,
Mifaninona moa izaho sy Ianao?
Miangavy re, aza mampijaly ahy!
Iza moa no anaranao?
Legiona.
Miangavy re, Tompo, aza
alefa amin'ny hantsana izahay.
Avelao izahay hiditra
amin'io andiana an kisoa io.
Eee!
Miverena!
Mijanona!
Mijanona!
Ary ny demonia nivoaka tamin-dralehilahy...
Miverena
dia niditra tao anatin’ny kisoa.
Miala eto Ianao!
Ry mpanao mazia!
Mialà eto!
Mialà amin'ity toerana ity!
Ndeha mandeha!
Mialà eto Ianao!
Hanaraka Anao aho na aiza na aiza.
Avelao aho hanaraka Anao.
Modia any an-trano,
ka ambarao izay nataon’ Andriamanitra taminao.
Dia lasa Jesoa sy ny mpianany nizotra nankany Betsaida.
Nahafantatra izany anefa ny vahoaka dia nanaraka Azy.
Nony hariva ny andro, dia hoy i Petera:
Mpampianatra ô!
Ravao amin'izay ny vahoaka,
hankanesany eny amin’ny vohitra manodidina sy any an-tsaha
handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
Aoka ianareo no hanome hanina azy.
Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay.
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan'izao rehetra izao, izay manome mofo vokatry ny tany.
Fahagagana ity.
Tsy mampino!
Lazain'ny olona ho iza moa Aho?
Misy milaza fa Jaona Mpanao batisa,
ny sasany kosa manao hoe Elia,
ny sasany indray manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
Fa hianareo kosa?
Manao Ahy ho iza?
Ny Kristin’ Andriamanitra.
Aza milaza amin'iza na iza.
Ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavina.
Sady hovonoina,
ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana.
Iza aminareo no hanaraka Ahy?
Tompoko, hanaraka Anao ihany aho,
fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany,
dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany,
ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko dia hamonjy izany.
Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko,
dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahiny,
sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina.
Fa lazaiko aminareo tokoa,
misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.
Dia nitondra an’i Petera sy Jaona ary Jakoba i Jesoa ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny,
ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy,
dia Mosesy sy Elia, izay niseho tamim-boninahitra.
Ho tanterakao ny fikasan' Andriamanitra.
Any Jerosalema Ianao no ho faty.
Ary tamin’ny nisarahan’izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin’i Jesoa:
Tompoko! Tsara raha mitoetra eto isika.
Aoka izahay hanao trano-lay telo,
Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo;
ary raha niditra tao anatin’ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: "Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy."
Mpampianatra ô!
Mpampianatra ô! Mamindrà fo amin’ny zanako!
Azafady, azafady vonjeo izy,
fa zanako-lahy tokana izy.
Ary nangataka tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka ny demonia aminy,
fa tsy afany.
Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo?
Ento etỳ ny zanakao.
Sitrana koa ny tarehiny!
Mahatalanjona !
Mampianara anay hivavaka,
tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany.
Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe:
"Rainay izay any an-danitra,
Hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
omeo anay isan'andro ny hanina sahaza ho anay.
Ary mamelà ny helokay,
fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.
Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy,
fa manafaha anay amin'ny ratsy."
Mangataha, dia homena ianareo,
mitadiava, dia hahita ianareo;
dondòny, dia hovohana ianareo.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo,
ary izay mitady no mahita,
ary izay mandòndòna no hovohana varavarana.
Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany
trondro, no hanome azy menarana ho solony,
raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo.
Tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?
Lazaiko aminareo
Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo,
na ny amin’ny tenanareo, izay hotafinareo.
Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Hevero ny goaika;
fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana,
nefa Andriamanitra mamelona azy;
Tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany?
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo,
nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
Hevero ny fanirin’ny voninkazo;
tsy mba miasa na mamoly ireny;
nefa Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.
Raha Andriamanitra
mampitafy ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso,
tsy mainka va ianareo no hampitafiny,
ry kely finoana?
Ampitomboy ny finoanay.
Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo,
dia lazao amin’io voaroihazo io:
Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana;
nefa lozan’izay olona mahatonga izany!
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy,
toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.
Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra?
Tahaka izao
nalain’olona ny voan-tsinapy ka namboleny tao an-tanimboly,
Ary naniry izy ka tonga hazo;
ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ny rantsany.
Tsy azoko mihitsy izay ambarany.
Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Ambarao indray ny momba ilay fanjakana.
Misy zavatra hafa koa ve?
Aza matahotra, ry ondry vitsy,
fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Amidio ny fanananareo, ka omeo ny mahantra;
manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany
izay tsy azon’ny mpangalatra,
sady tsy misy kalalao manimba.
Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
Ravehivavy,
afaka amin’ny rofinao ianao.
Jereo! Jereo fa sitrana! Mahagaga! Jereo, jereo fa sitrana! Avia ange jereo!
De-de-de-deraina
ny Tompo!
Valo ambin’ny folo taona!
Tahian'ny Tompo Ianao!
Enina andro no azo anaovan-draharaha;
koa avia hositranina amin’izany, fa tsy amin’ny andro Sabata.
Ry mpihatsaravelatsihy!
Moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona amin’ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana valo ambin’ny folo taona izao,
moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?
Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
Nahoana Aho no ataonao tsara?
Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
Fantatrao ny didy hoe:
"Aza mijangajanga,
Aza mamono olona, Aza mety ho vavolombelona mandainga,"
"Manajà ny rainao sy ny reninao."
Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
Mbola diso zavatra iray loha ianao.
Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao.
Ary avia, manaraha Ahy.
Izahay anie mpivarotra e,
mpanana.
Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ Andriamanitra!
Sarotra kokoa ho an'ny mpanan-karena ny hiditra amin'ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny
hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra
Iza indray moa no azo hovonjena?
Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’ Andriamanitra.
Rahoviana marina no ho tonga
ny fanjakan' Andriamanitra?
Tsy misehoseho no fiavin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Ary ny olona tsy hanao hoe:
Indro,
etỳ! na erỳ!
fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.
Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
nefa tsy hahita ianareo.
Fa tahaka ny tselatra manelatra hatramin’ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ny farany koa,
dia ho toy izany ny Zanak’Olona amin’ny androny
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ity taranaka ity.
Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo
fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary naniry hahare izay renareo, fa tsy nahare.
Inona no hataonay?
Ahoana hoy ny voasoratra?
Ahoana no fahazoanareo azy?
Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra,
ny fanahinao rehetra,
sy ny herinao rehetra
ary ny sainao rehetra.
Ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao."
Marina izany.
Ataovy izany, dia ho velona ianao.
Iza ary no namako?
Tsy ny miaramila a!
Ary i Kaisara?
Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko,
ka azon’ny jiolahy,
dia nokapohiny izy, nendahany, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany.
Ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo ihany koa.
Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy,
ary nony nahita azy, dia onena.
Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay.
Dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny,
sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto
dia honerako, rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?
Ilay niantra azy.
Mandehana, ka manaova toy izany koa.
Ah!
Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana,
fa an’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
Izay mandray ity zaza ity amin'ny Anarako dia mandray Ahy,
ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
Fa izay kely indrindra aminareo no lehibe indrindra.
E, inona izany? Fa misy inona?
Jesoa avy any Nazareta no mandalo.
Jesoa ô!
Jesoa ô!
Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
Inona moa no tianao hataoko aminao?
Mba hampahiratina ny masoko.
Mahirata.
Ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Mahiratra aho!
Mahiratra aho!
Mahiratra aho!
Derao Andriamanitra!
Ary Jesoa nandroso hankany Jerosalema, ka vahoaka maro no nihaona taminy.
Ary ny olona nangataka Azy haneho ny lalam-pamonjena, sy hampianatra azy momba ny fanjakan' Andriamanitra.
Marina tokoa fa mpaminany ity.
Vonjeo aho, Mpampianatra ô!
Tompo o, vonjeo e, vonjeo e!
Deraina ny Tompo!
Asehoy anay ny làlana marina, Tompo ô!
Ary, indro, nisy lehilahy Tany Jeriko, atao hoe Zakaiosy, izay mpamory hetra.
Ary nitady hahita izay Jesoa izy, ka nananika aviavy noho ny habetsahan’ny olona nifanety.
Io ilay mpamory hetra.
Midìna faingana ry Zakaiosy,
fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
Ao an-tranoko?
Iza koa no ho any an-tranony?
Ahoana no ahalalan'i Zakaiosy an'i Jesoa?
Henoy.
Omeko, ny antsasaky ny fananako ho an’ny mahantra,
ary raha misy nambakaiko,
dia honerako avy efatra heny izany.
Izaho tsy mino an'izany, mpamory hetra ve hamerina ny hetra efa azony! Tsy mampino!
Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena!
Fa izy koa dia zanak’i Abrahama!
Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very.
Indro,
Miakatra ho any Jerosalema isika,
dia ho tanteraka izay rehetra voasoratry ny mpaminany ny amin’ny Zanak’Olona.
Fa hatolotra ho amin’ny Jentilisa Izy.
Dia hataony fihomehezana,
sy hisetrasetrany sy hororany.
Ary hokapohiny sy hovonoiny.
Ary amin’ny andro fahatelo,
dia hitsangana Izy.
Na dia fantatr'i Jesoa aza fa hovonoina Izy noho ny fahotan'ny olombelona,
dia mbola nankany Jerosalema ihany Izy.
Nifaly sy nidera an' Andriamanitra ny vahoaka, nankalaza an'i Jesoa ho Mpanjaka.
Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao tsy hitabataba.
Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato mihitsy no hiantsoantso.
Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin'ny avo indrindra!
Dia nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa. Ary raha nahita ny tanàna, dia nitomany azy.
Raha mba,
fantatrao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana, fa miafina amin’ny masonao izany.
Fa ho avy ny andro hananganan’ny fahavalonao
tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina.
Ary hamongotra anao hatramin’ny tany,
...ianao mbamin’ny zanakao.
Ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
Lasa tsenabe ny tempoly masina tao Jerosalema raha tokony ho toerana natao hivavahana.
5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14,
15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22...
Voasoratra hoe:
"Ny tranoko dia trano fivavahana,"
fa ianareo kosa nanao azy ho "zohy fieren’ ny jiolahy."
Io fa mankeny amin'ny bibiko!
Sakano e!
Saka- a-a-no!
Antsoy ny mpiambina! Antsoy ny mpiambina!
Nitombo hatrany ny fanoheran'ireo mpitondra politika sy ara-pivavahana
satria mankalaza an'i Jesoa ho mpanjaka ny olona.
Fantatro fa maro izao ny olona manao Azy ho Mpanjaka.
Mpanjaka? Ha ha. Mpanjakan'ny mpangataka, mpivarotena ary mpangalatra.
Efa nahita toa Azy isika teo aloha. Tonga, nanao fanambarana, dia lasa. Ary hadino.
Aoka tsy ho jamba.
Mitombo isan'andro ny mpanaraka Azy.
Tia Azy ny olona
…ary mihevitra fa Mpanjaka Izy.
Mampitandrina anareo aho. Raha manelingelina ny fandriampahalemana iny lehilahy iny, dia ho hitanareo tsara.
Mety marina ny azy.
Fotoana hiatrehana ilay Galiliana izao.
Isan'andro dia nanome tsiny ny mpanora-dalana sy ny Fariseo maro Jesoa,
fa hoe mitory ny amin'ny lalana izy ireny nefa tsy mankato ny lalana akory.
Tao amin'ny tempoly, Jesoa nahita mpitondratena tena mahantra izay nandatsaka vola madinika roa.
Kely loatra izany.
Ka raha mba nampiana?
Lazaiko aminareo
fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be noho izy rehetra.
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra;
fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra.
Lazao anay:
Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao?
Iza no nanome Anao izany?
Izaho kosa hanontany zavatra iray loha.
Lazao amiko: Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?
Inona no holazaintsika?
Raha holazaintsika, "avy amin' Andriamanitra,"
dia hataony hoe: Nahoana ary, no tsy ninoanareo i Jaona?
Fa raha lazaintsika hoe: Avy tamin’ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka.
Satria inoan'izy ireo ho mpaminany Jaona.
Tsy fantatray izay niaviany.
Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka,
ka nahofany tamina mpiasa tany izany,
dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
Ary tamin’ny fotoana handraisany ny vokatry ny tanimboaloboka,
dia naniraka mpanompo hankany amin’ny mpiasa tany izy
mba handray amin’ny vokatry ny tanimboaloboka;
fa ny mpiasa tany nikapoka iny ka nampandeha azy maina.
Dia naniraka mpanompo iray koa izy;
ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
Dia hoy ny tompon’ny tanimboaloboka: "Inona re no hataoko?
Haniraka ny zanako malalako aho."
"Angamba hanaja azy izy"
Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina hoe:
"Ity no mpandova.
Andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova."
Tohizo ihany, Tompo ô!
Dia navoakany tany ivelan’ny tanimboaloboka izy
ka novonoiny.
Hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka ahoana moa izy amin’izany?
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.
Ahoana moa izao voasoratra izao?
"Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano,
Dia izy no efa natao fehizoro."
Izay rehetra potraka amin’izany vato izany dia ho torotoro
fa na iza na iza no ianjerany
dia ho mongomongo.
Mpampianatra,
fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao
ka tsy mizaha tavan’olona,
fa mampianatra ny olona ny làlan' Andriamanitra.
Lazao:
Mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia?
Tandremo Tompo fa mamandrika Anao izy.
Mampisehoa denaria amiko.
An’iza moa io sary sy soratra eo aminy io?
Kaisara!
Aloavy ho an’i Kaisara ary
izay an’i Kaisara,
ary ho an’ Andriamanitra
izay an’ Andriamanitra.
Inona no valinteninao amin'izany?
Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
Ary Jesoa naniraka an’i Petera sy Jaona mialoha hanamboatra ny sakafo Paska.
Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
Fa lazaiko aminareo,
tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitray,
Mpanjakan'izao rehetra izao,
Izay nampahavokatra ny voaloboka.
Raiso ity, ka zarao aminareo,
fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitray,
Mpanjakan'izao rehetra izao,
Izay namokatra mofo avy amin'ny tany.
Ity no tenako izay omena ho anareo.
Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.
Fa, indro, ny tànan’izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ny latabatra.
Fa ny Zanak’Olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
Izaho ve izany?
Anontanio iza no tiany holazaina.
Tompo, iza izany?
Tsy hiala aminao aho!
Izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry,
ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
Fa iza moa no lehibe,
izay mipetraka mihinana va,
sa izay manompo?
Tsy izay mipetraka mihinana va?
Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko.
Ary tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy,
no anendreko fanjakana ho anareo.
mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo.
sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.
Dia tsy misy mpamadika izany.
Ry Simona, ry Simona,
indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny
hanaisotra ny finoanareo tahaka ny mpamboly mikororoka vary.
Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao;
ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Tompo o,
vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina,
na dia ho any amin’ny fahafatesana aza.
Lazaiko aminao, ry Petera:
Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handa intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
Raha nirahiko tsisy kitapom-bola na vatsy na kapa ianareo, nisy nahory anareo?
Tsia. Tsy nisy.
Fa amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy;
ary izay tsy manan-tsabatra kosa, aoka hivarotra ny lambany ka hividy.
Fa lazaiko anareo:
voasoratra izao hoe: "Ary Izy natao ho isan’ny mpanota.’’
Fa efa ho tanteraka izay voasoratra ny amiko.
Tompoko,
ndreto sabatra roa.
Aoka izay.
Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’i Jesoa.
Fa Satana niditra tao anatin’i Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Nankao amin’ny lohan’ny mpisorona izy niresaka ny amin’izay hamadihany an’i Jesoa.
Niala tao Jerosalema Jesoa ka nankao an-tendrombohitra Oliva hivavaka.
Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
Jodasy Iskariota namadika an'i Jesoa tamin'ny sekely volafotsy telopolo monja.
Fantatr'i Jesoa fa antomotra ny fotoana hahafatesany noho ny fahotan'ny olombelona;
dia nivavaka Izy.
Ray o,
raha sitrakao,
esory amiko ity kapoaka ity
nefa
aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao.
Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
Ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.
Nahoana no matory ianareo?
Mitsangàna,
ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
Jodasy,
fanorohana va no amadihanao ny Zanak’Olona?
Tompo, hasianay amin’ny sabatra ve?
Zao, sambory Izy.
E, aoka izao!
Fahagagana!
Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
Teo aminareo isan'andro tao an-tempoly Aho, fa tsy naninji-tànana tamiko ianareo.
Fa izao no fotoanareo,
mba hanjakan'ny herin’ny maizina.
Sambory Izy!
Dia ambeno tsara.
Ny miaramila nitondra Azy teo an-tokotany ka naneso Azy ho Mpanjakan'ny Jiosy
Ity ny fitafiana fitondran'ny Mpanjaka.
Lazao, inona indray no hitranga.
Hamonjy anay ve Ianao, ny Andriamanjaka? Hamonjy anay ve Ianao?
Ity lehilahy ity koa niaraka tamin'i Jesoa.
Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
Hitako niaraka izy ireo.
Manaja anao ny mpanompo
Ahoana izany hoe ampijaliana?
Ianao koa mba naman’ireny.
Tsy mba namany aho.
Tsy isalasalana fa niaraka tamin'i Jesoa ity lehilahy ity, fa Galiliana izy.
Ndeha mandeha.
Tsy fantatro izay-- izay tianao holazaina.
Ary Jesoa nitodika, dia nijery an’i Petera.
Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe:
"Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handa Ahy intelo ianao."
Tompo o,
mamindra fo amiko
noho ny fitiavanao tsy miova.
Esory ny fahotako ka diovy aho.
Fahamarinana no takinao.
Amorony fo madio aho, Tompo o.
Omeo ahy indray
ny fifaliana avy amin'ny
amin'ny famonjenao
Ary ataovy mazoto
mankato Anao.
Maminania; iza no namely Anao?
Maminania!
Iza indray no hamely Anao?
Ajanony!
Ajanony, hoy aho!
Ento ho eo amin’ny Synedriona.
Ndana!
Dia niangona ny loholona, mba hanadina an'i Jesoa.
Hono ho'aho,
Ianao ve no Mesia?
Na hilaza aza Aho,
tsy hino Ahy ianareo.
Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
Fa hatramin’izao ny Zanak’Olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’ Andriamanitra.
Ianao ary ve
no Zanak' Andriamanitra?
Voalazanao fa Izaho no Izy.
Fahefan'iza no ahafahany milaza izany?
Miteny ratsy an' Andriamanitra Izy!
Meloka!
Ny tenantsika no efa nandre tamin’ny vavany.
Aleo hoentintsika any amin'i Pilato.
Ie, ie, ento amin'izay!
Lasa!
Ary Izy nentiny tany amin'i Pontio Pilato, ilay governora Romana tsy mifaditrovana indrindra.
Nanameloka olona an'arivony teo amin'ny hazofijaliana izy.
Ary haninona eto ianareo amin'izao andro maraina be izao?
Tratranay ity Lehilahy ity namilivily ny sain'ny olona.
Nampisavorovoro ny olona tao an-kianjan'ny tempoly Izy.
Ka inona no sazy mendrika Azy?
Helohy Izy!
Tsy hitako izay hanamelohana ity Lehilahy ity, tsy hitako.
Hitanay fa meloka Izy, mandrara ny olona tsy handoa hetra amin'ny amperora, milaza ny tenany ho Mesia,
Mpanjaka.
Mpanjaka?
Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy?
Voalazanao.
Nanomboka hatrany Galilia Izy ary izao tonga atỳ izao.
Tany Galilia?
Galiliana angaha ralehilahy?
Ka raha izany,
aleo Heroda no hitsara Azy.
Mbola eto Jerosalema izy, sa tsy izany?
Ento any amin'i Heroda!
Lazainao ho Iza moa ny Tenanao?
Iza avy ireo antsoina hoe mpianatrao?
Maro no milaza fa mahavita fahagagana Ianao.
Anaovy iray ary aho.
Tompoko,
Namitaka ny olona rehetra Izy.
Nanao ny Tenany ho Mpanjaka.
Ity Lehilahy ity?
Mpanjaka?
Trarantitra Ianao.
Kapohy mafy Izy.
Avereno any amin'i Pilato.
Faritaniny ity.
Tsisy antony hanamelohana Azy ho faty.
Koa hasaiko kapohina Izy,
dia avelako handeha.
Tsy maintsy manafaka olona iray ho anay ianao amin'izao Paska izao.
Afaho ho anay Barabasy.
Ie!
Fa vonoy ity Lehilahy ity.
Ie, omeo anay i Barabasy.
Homboy Izy e!
Ie, homboy Izy!
Ianao, ianao, kapohy Izy.
Fa miandry inona ianao, ry Pilato?
Izy no Jesoa!
Nahoana Izy no ampijaliana toy izao?
Avelao Izy, Izy no Mesia!
Tsy nanao ratsy anie Izy e!
Areno Izy!
Nefa mbola niantsoantso sy nikiakiaka izy ireo fa tokony hohomboina Jesoa.
Ary Pilato namoaka didy hamono an'i Jesoa. Barabasy noafahany, fa Jesoa natolony azy hohomboina.
Ianao!
Ny anaranao?
Simona avy any Kyrenio, tompoko.
Mankanesa eto!
Tapaho ny tady!
Ianao, ento io,
Lasa, mandeha!
Mitomany Anao izahay, Tompo o, mitomany. Sotroy ity, sotroy.
Sotroy Tompo.
Ry vehivavy eto Jerosalema,
aza mitomany Ahy,
fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
Fa raha izany moa no ataony amin'ny hazo maitso,
hatao ahoana amin’ny maina?
Hanampy anao Andriamanitra.
Hivavaka ho Anao izahay.
Alefaso amin'izay.
Atsangano ary e!
Ianao, atsatohy ny tsimaka!
Esory ny tady!
Raiko ô, mamelà ny helony,
fa tsy fantany izay ataony.
Namonjy ny sasany Izy,
aoka hovonjeny koa ny tenany
Ie, vonjeo ny Tenanao raha Ianao no Mesia! Midina amin'ny hazofijaliana.
Anehoy fahagagana iray izahay!
Ary Jesoa nohomboana teo anelanelan'olon-dratsy roa lahy
mba hahatanteraka ny faminaniana, voalazan'ny mpaminanin' Adriamanitra an-jato taonany tany aloha tany.
Mifono zava-miafina ity akanjo ity.
Jereo! Avelao ange! An-an, aza triariana! izao no hatao:
ndao hilokana!
Ah, tsara vitana ianao! Azonao io izao dia hataonao inona?
Ary nasiana soratra teo amboniny manao hoe "Ity no Mpanjakan'ny Jiosy"
Vonjeo ny Tenanao raha Ianao no Mpanjakan'ny Jiosy.
Moa tsy... Ianao...no Mesia?
Vonjeo...
ny Tenanao, sy…
sy izahay.
Matahora an' Andriamanitra
Voaheloka tahaka antsika Izy
Fa Izy,
nefa Izy tsy nanao ratsy.
Tsarovy aho, Jesoa,
rehefa... rehefa tonga Mpanjaka Ianao.
Lazaiko marina aminao.
Hihaona Amiko any Paradisa ianao...
Anio.
Nony mitataovovonana dia rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany.
Triatra nisasaka ny efitra lamba tao amin'ny tempoly.
Ray ô,
eo an-tànanao
no atolotro
ny Fanahiko.
Rehefa nahita ny zava-nitranga ilay Kapiteny dia nanome voninahitra an' Andriamanitra.
Deraina Andriamanitra! Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
Nisy lehilahy atao hoe Josefa avy any Arimatia,
izay isan’ny Synedriona, tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ny sasany;
nankao amin’i Pontio Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesoa halevina
raha tsy mbola nanomboka ny Sabata.
Hitondra zava-manitra izahay hanamboarana ny fatin'ny Tomponay.
Hanampy anareo aho.
Haingana, fa antomotra ny Sabata.
Fa nony maraina koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia nankany amin’ny fasana izy nitondra ny zava-manitra.
Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana.
Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo.
Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana;
tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
"Ny Zanak’Olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana
ary hitsangana amin’ny andro fahatelo."
Henoy!
Voakodia ny vato!
Niditra izahay,
ary ny fatin'ny Tompo efa tsy tao
intsony.
Ahoana? Tsy tao hoe ny fatin'ny Tompo?
Dia nisy roalahy niseho taminay,
anjely mamiratra,
toy ny masoandro.
Ka nanao hoe:
Nahoana no ato amin’ny maty
no itadiavanareo ny velona?
Marina e.
Minoa anay.
Minoa anay.
Hitanay mihitsy! 'Ndana jereonareo! Foana ny fasana! Tsy tao intsony ny Tompontsika!
Petera, tokony hino anay ianao!
Niseho tamina mpianatra roalahy Jesoa. Maika ery izy ireo hihaona amin'ny namany.
Efa nitsangana tokoa ny Tompo!
Fa efa niseho tamin’i Simona.
Tsy nahalala Azy izahay,
raha teny an-dalana.
Fa rehefa namaky ny mofo, vao fantatray.
Tany Emaosy, Mahagaga ny nankanesany tany.
Fiadanana ho aminareo.
Nahoana no taitra ianareo?
Ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
Jereo
ny tànako sy ny tongotro,
ary jereo fa Izaho ihany ity.
Tsapao Aho, ka jereo.
Fa ny matoatoa tsisy nofo sy taolana tahaka Ahy izao.
Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho,
...fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
Izany no voasoratra
fa Kristy hiaritra
ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo;
... ary amin’ny Anarany
no hitoriana ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra,
manomboka eto Jerosalema.
Ary ianareo no vavolombelon’izany.
Izaho haniraka Ilay nampanantenain'ny Raiko ho anareo;
fa mitoera eto an-tanàna
mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.
Hitahy anareo ny Tompo ka hiaro anareo.
Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany,
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra,
manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray
sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandriana izay rehetra nandidiako anareo,
ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Taloha ela dia voasoratry ny mpaminany
fa haniraka ny Mesia Andriamanitra hamonjy ny mpanota sy hampihavana azy amin' Andriamanitra.
Ny fiainan'i Jesoa dia mampiseho fa Izy tokoa Ilay Mpamonjy.
Ny mpaminany Isaia dia nanoratra hoe: "Hitoe-jaza ny virijiny ka hiteraka zazalahy."
Dia tanteraka izany. Noho ny heriny,
Andriamanitra dia nahatonga an'i Maria hitoe-jaza na dia mbola virijiny aza, dia niteraka an'i Jesoa izy.
Araka ny voasoratra, ny fahaterahany mahagaga dia famantarana avy amin' Andriamanitra
fa ity zaza ity no Mesia, Izay antsoin' Andriamanitra hoe Zanany.
Rehefa nahita an'i Jesoa ny olona dia nahita ny maha Izy an' Andriamanitra sy ny heriny.
Nanasitrana olona Izy sady namela ny helony,
ary nampanantena toerana ho azy ao amin'ilay fanjakany mandrakizay.
Nanao sorona ny ainy Jesoa ary niaritra ny famaizana noho ny amin'ny olombelona.
Dia velona indray Izy,
naneho fa ny heriny dia lehibe lavitra noho ny herin'ny fahafatesana.
Hoy Jesoa Ilay Mesia hoe, "Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho ary fahefana haka azy indray."
Ny fiainan'i Jesoa dia nahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany,
sady nanamafy fa ny Teny masin' Andriamanitra dia tsy misy kilema sady maharitra mandrakizay,
araka ny voalazan'ny mpaminany.
Jesoa no Ilay Tenin' Andriamanitra.
Manambara ny Tenany ao amin'i Jesoa amin'ny olona eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra.
Tonga Jesoa hanome antsika fiainana be dia be,
toy ny tamin'ny namoronan' Andriamanitra ny lehilahy sy vehivavy voalohany.
Tsy natoky an' Andriamanitra anefa izy ireo, fa nanda ny didiny.
Voalazan'ny Soratra Masina fa "Samy efa nanota ny olona rehetra"
ary "Fahafatesana no tambin'ny ota."
Ny olona nanota dia tsy afaka ho velona amin'ny fifandraisana amin' Andriamanitra.
Fa tahaka ny nanomezan' Andriamanitra ondrilahy ho faty hisolo ny zanak'i Abrahama
no nanirahan' Andriamanitra an'i Jesoa ho faty hisolo ny taranak'i Adama.
Nataony izany mba hahafahan'izay mino sy matoky an'i Jesoa ho tonga eo anatrehan' Andriamanitra.
Noho izany, izay manaraka an'i Jesoa
dia ho afaka amin'ny famaizan'ny helo ka hiara-miaina amin' Andriamanitra mandrakizay.
Rehefa nitsangana tamin'ny maty i Jesoa, dia hoy Izy tamin'ireo mpanaraka Azy:
"Hitory amin'ny firenena rehetra amin'ny anarako ny olona
fa Andriamanitra dia mamela ny helok'izay mibebaka sy miverina Aminy."
Nilaza koa i Jesoa fa haniraka ny Fanahy Masin' Andriamanitra hiaraka amin'ireo mpanara-dia Azy,
mba hampiseho aminy ny fahamarinana, sy hanome azy hery hanarahany ny lalan' Andriamanitra.
Rehefa nibebaka ilay vehivavy mpanota ka nanomboka nanaraka an'i Jesoa, dia nilazan'i Jesoa hoe:
"Voavela ny helokao. Ny finoanao Ahy no nahavonjy anao."
Na iza na iza dia afaka ho voavonjy noho ny fahasoavan' Andriamanitra,
amin'ny finoana an'i Jesoa. Manana fahefana hamela heloka i Jesoa.
Izay manapa-kevitra ho tonga mpanaraka an'i Jesoa
dia afaka manomboka ny fifandraisana Aminy ka mampiasa teny tahaka izao mba hanehoany ny finoany.
Andriamanitra Ray o, marina Ianao.
Misaotra Anao aho fa tia ahy Ianao.
Malahelo aho fa tsy nankato ny didinao ary nanota taminao.
Misaotra Anao aho naniraka an'i Jesoa ho faty teo amin'ny hazofijaliana noho ny amiko,
ary nitsangana tamin'ny maty.
Misaotra Anao aho fa niaritra ny famaizana ny fahotana nataoko Izy.
Te hanaraka ny lalanao aho, ka handray an'i Jesoa ho Mpamonjy ahy sady Tompoko.
Misaotra Anao aho namela ny heloko,
sy nanokatra lalana ho ahy hiarahako aminao mandrakizay ao amin'ny fanjakanao.
Mangataka Anao hanome ahy ny Fanahy Masina hiaraka amiko sy hanoro ahy ny lalanao.
Izy anie hanome ahy hery hitiavako Anao amin'ny foko manontolo sy hiainako fiainana ankasitrahinao.
Ary hidera Anao hatraiza hatraiza anie ny olona eto amin'izao tontolo izao. Amena.
Hoy Jesoa momba ireo mpanaraka Azy:
"Ny ondriko mihaino ny feoko. Fantatro izy ary izy manaraka Ahy."
Miaraka miangona ireo mpanaraka an'i Jesoa, miresaka aminy isan'andro,
mianatra ny teniny ao amin'ny Soratra Masina, mitady izay hanarahana ny ohatra nomeny,
ary miresaka Azy amin'ny hafa. Mitari-dalana azy ireo Jesoa
ary mampahery azy amin'ny herin'ny Fanahin' Andriamanitra izay mitoetra ao am-pony.
Tsaroan'izy ireo izay nolazain'i Jesoa
talohan'ny niakarany tamin'ny rahona ho any amin'ny sezafiandrianany any an-danitra, hoe:
"Efa nomen' Andriamanitra Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany...
Milaza aminareo Aho, fa Izaho momba anareo mandrakariva,
ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao."